TheMadagascarTime

1 000 andro eo amin’ny zaza: Hifanakalo ny zava-misy ireo mpisehatra

2026-01-28 - 06:33

Mivory mandritra ny hateloana, eny Anosy, ny mpisehatra amin’ny fahasalaman’ny reny sy zaza tarihin’ny mpi­tsabo manokana ny zaza (So­maped) sy ny fivondronan’ny mpitsabo ny vehivavy (gynécologue) Comago. Ilaina ny fanatsarana ny fandraisana an-tanana sy ny fomba fiasa ho an’ireo mpikarakara ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza. Miantoka ny fivoaran’ny zaza eo amin’ny fiainany ny fikarakarana azony nanomboka vao mitsaika hatramin’ny faha-2 taonany (1 000 andro voalohany). Voakasika ao avokoa ny sakafo, ny fahasalamana, ny fitiavana ka tsy tokony hisy atao ambanin-javatra. Mbola marefo ny Mala­gasy ho an’ny 1 000 andro voalohany, raha ny zava-misy no zohina. Misy ny zaza vao te­raka sy ny vehivavy bevohoka tsy ampy vy, betsaka koa ny zaza tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. 40% ny zaza latsaky ny 5 taona manana olana amin’ny fitomboana. “Hifankalo ny zava-misy eny am-perinasa ireo mpiantsehatra ahafahana manatsara sy mampiditra ny hita sy ny zavatra banga eo anivon’ny politika nasionalin’ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza”, hoy ny tale misahana ny fahasalaman’ny fianakaviana eo anivon’ny minisiteran’ny Faha­sa­lamam-bahoaka, Rajoe­lina Miaritoky Herinan­drainy. “Hi­tondra tombontsoa mivantana amin’ny fampandrosoana ny firenena ny fanokanana vola hikarakarana ny 1 000 andro voalohany eo amin’ny zaza ary mila harindra ny asa efa misy amin’izao fotoana izao”, hoy ny solontenan’ny Unicef eto amintsika, i Christine Jaulmes. Vonjy

Share this post: