15 taona an-tsehatra: Feno fihetseham-po ny sehon’i Farakely
2026-03-02 - 04:56
Dingana iray tsy nandalo fotsiny fa nipetraka ho tantara ny seho nanamarihin’i Farakely sy ny tariny ny faha-15 taona. «Rotsirotsy». Feon-kira nambabo ny iray efitrano no nanombohany ny sehon’i Farakely, nanome ny endriky ny tohiny... Tsara petraka, voaomana, nirindra, manaporofo ny traikefa nivangongo nandritra ny 15 taona niakaran’i Farakely an-tsehatra irery izany. Nanamarihana izay indrindra ity seho omaly, tetsy amin’ny CCesca Antanimena ity, toerana izay manamarika tantara ho an’i Farakely sy ireo mpankafy azy. Hira maherin’ny 30, samy nanamarika an’i Farakely avokoa, no nosafidiany nifampizarana tamin’ireo mpankafy. Nifanesy ireo nahafantarana azy, toy ny «Tonom-bavaka», «Ifalio», «Tiako izy» . Nanaraka avy hatrany ny vahinin’i Farakely, izay rariny loatra raha i Laza no nanomboka azy. « Ny akaikinao » indray no nosafidian’izy mianadahy, omaly. « Vetson’ny manina » kosa no niarahan’i Farakely sy Luk Johary, raha toa ka « Fitia mangina » no nataon’izy sy Mia, andriambavilanitra tokana vahininy hatrany anatin’ny rakikira ka hatreny an-tsehatra. Tsy tapitra teo, fa tsy nampoizina koa ny niakaran’i Lôla, nampiara-peo taminy tamin’ilay hira « Ho mafy orina ». Tsy niadian-kevitra kosa fa ilay hira « Tsy foiko ianao », izay natombok’i Rija Ramanantoanina ary notohizan’i Farakely no nankafizin’ny mpijery indrindra! Tsy vitan’ny hoe tsy nampoizina fa sady nangatahana famerenana izany. 15 taona fa tsy nandeha irery anefa i Farakely. Ankoatra ireo mpankafy nanaraka azy, teo foana koa ireo mpitendry matihanina nitrotro sy nandoko ireo hira. « Raha mbola tsy mikipy ny masoko, hanao mozika foana aho », hoy i Farakely. Fampanantenana ho an’ny tohin’ny anjoria izany. Zo ny Aina