40 taona ny SNGF : Mamokatra zana-kazo 300 000 isan-taona
2026-03-14 - 05:56
Mampiavaka ny Sompitra nasionaly momba ny ambiokan’ala (SNGF) ny famokarana ambioka ho an’ny zana-kazo, indrindra ny hazoala. Feno 40 taona, ankehitriny, ity foibe ity, ka ho fanamarihana izany, nisy ny sary famantarana manokana, maneho ny isa 40 taona niasany, ahitana ny voa ary ny sarin’ny hazo, maneho ny harena sy ny fahasamihafan’ny karazan-kazo eto Madagasikara. Maneho ny fandraisan’anjaran’ny Malagasy ny tanana mitazona zana-kazo amin’ny ala ho an’ny hoavy. Nambaran’ny tale jeneralin’ny SNGF, Ramatoa Raberitany Yannie, fa mahatratra 4 hatramin’ny 6 taonina isan-taona ny ambioka vokariny, manaraka ny fenitra ara-teknika iraisam-pirenena. Misy amin’izy ireny tsy azo tahirizina maharitra, ka avadika ho zana-kazo, izay mahatratra 300 000 isan-taona. Manana ny foibeny eny Ambatobe ny SNGF ary misy sampana koa any Moramanga, Fianarantsoa ary Mahajanga. Nosantarina tamin’ny fotoam-pivavahana tetsy amin’ny EKAR Antanimena, omaly maraina, ny fankalazana ny taon-jobily faha-40 taona. Lohahevitra noraisina ny hoe, « Zary ala ny voa, ny lasa no fototra antoky ny hoavy ». Hetsika hatao ny fikojakojana ny saha famokarana ambioka sy ny zana-kazo. Hisy varavarana misokatra hanehoana ny fanangonana ny voa hatramin’ny fitahirizana azy. Eo koa ny fifanakalozan-kevitra hijerena ny zava-bita sy ny vina ho tratrarina, sns. Njaka A.