TheMadagascarTime

Ady amin’ny tazomoka : Hahitsy ny paikady nasionaly PSN 2023-2027

2026-02-27 - 04:56

Manatanteraka atrikasa ho fanitsiana ny Paikady nasionaly hiadina amin’ny valanaretina tazomoka ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Pai­ka­dy enti-miasa ao anatin’ny efa-taona, 2023-2027, ity asiam-­panovana ity. Tanjona ny hanamafisana ireo asa tsara nahazoana vokatra sy hanitsiana ny tanjona ho tratrarina hatramin’ny 2030. Entina hanatsarana ireo lesoka hita ihany koa izany. Ankoatra izay, hamaritana ireo laharam-pahamehana amin’ny asa hotanterahina hanatrarana ireo tanjona efa napetraka ny atrikasa. Ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny ady amin’ny tazomoka avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka no manatanteraka ny fikaonandoha mahakasika ny PSN 2023-2030. Fotoana handraisana ireo hevitry ny solontenana avy any amin’ny faritra sy ny distrika ary ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola ihany koa ity atrikasa ity. Ireo mpiantsehatra eny ifotony no tena mahita mivantana ny zava-manahirana mandritra ny asa ka izy ireo no henoina hahafahana manarina ny lesoka sy mitondra fanatsarana ary ampifandraisina amin’ity fanitsiana ity. Hampihena ny vesatra ateraky ny tazomoka ho an’ny vahoaka malagasy no anton’ny fifarimbonana amin’izao ezaka amin’ny ady amin’ny tazomoka izao. Tatiana A

Share this post: