Ady totohondry : Nampitovy lenta ny mpanazatra
2026-03-30 - 04:54
Ho fampitoviana lenta sy ny traikefan’ny Malagasy mpanazatra eo amin’ny taranja ady totohondry, nisy ny fampiofanana natao ny 28 ary 29 marsa teo, teny amin’ny INSPNMAD Ambaranjana. Fiofanana nomen’ny manampahaizana iraisam-pirenena kameroney, i Cyprien Tamou. Nanana izao finiavana izao ity manampahaizana ity ho fampivoarana ny ady totohondry eto Madagasikara. Mila mivoatra manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ihany koa ny mpanazatra eto Madagasikara, araka ny nambarany. Nanamafy ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny ady totohondry, Rabarison Hery Mamy, fa tena ilaina ny fampiofanana toy izao ary tsy manavaka fa nosokafana ho an’ny mpanazatra rehetra. Araraotina ny fahatongavan’ny manampahaizana iraisam-pirenena eto an-toerana toy izao raha ny nambarany. 70 mianadahy ireo niatrika ny fampiofanana izay nomena mari-pankasitrahana omaly, taorian’ny fiofanana. An-tsoratra sy fampiharana no nanaovana ny fifampizarana. Nisy ny adina fitsapana ireo mpiofana. Tsiahivina fa fiaraha-miasan’ny Federasionina malagasin’ny ady totohondry sy ny ligin’Analamanga no nahatontosa izao fampiofanana izao. Nanao antso ny filoha Hery Mamy ny hijeren’ny minisitera ny zava-misy iainan’izy ireo, indrindra ny mahakasika ny taratasy fahazoan-dalana. Mi.Raz