Airtel: Fanampiana ho an’ny traboina any Mahajanga
2026-03-24 - 04:53
Ankoatra ny rivodoza Gezani tany Toamasina, tsy nijery fotsiny ny traboina tratry ny rivodoza Fytia tany Boeny sy Betsiboka ny orinasa Airtel Madagasikara sy ny Fondation Airtel Afrika. Tokantrano miisa 500 no nisitraka fanampiana vonjitaitra sy sakafo tany Mahajanga, hitsinjovana ireo tratry ny fahasimbana vokatry ny orambe. Nitohy tany amin’ny lalam-pirenena faha-4 ny hetsika, tany Maevatanàna sy Ambondromamy. Mitotaly 900 ny tokantrano nisitraka ny fanampiana tany amin’ireo toerana ireo. Notsipihin’ny tale ara-barotra Airtel Madagasikara, i Marcel Mpondo, fa « manan-danja tokoa ity hetsika ity, satria maneho ny firaisankina. Ilaina ny fanampiana haingana, eo no ho eo, amin’ny loza voajanahary toy izao. Zava-dehibe ny fanampiana ny vondrom-piarahamonina hamerenana amin’ny laoniny ny maha olombelona. Sady manome fanantenana ny mponina sy hanomezana hasina ny fianakaviana traboina ihany koa ». Nohamafisin’ny Airtel Madagasikara sy ny Fondation Airtel Afrika ny fahavononany ho eo anilan’ny vahoaka amin’ny zava-tsarotra toy izao, amin’ny alalan’ny fanampiana azo tsapain-tanana. Tafiditra ao anatin’ny fiahiana ny mpiara-belona sy fanampiana ny faritra tratry ny loza voajanahary izao hetsika izao. Njaka A.