Alahamadibe 2026 : Vohitra maro no nankalaza izany
2026-03-21 - 05:13
Fankalazana ny andro voalohany amin’ny volana voalohany amin’ny fanandroana isa lava, ny Alahamadibe. Fomba nankalazain’ny vohitra maro, indrindra teto Imerina izy ity, ary efa nandritra ny taona maro izany. Mbola mitohy mandraka ankehitriny, ary mihetsiketsika amin’ny fampahafantarana sy ny fanohizana ho an’ny taranaka ihany koa ireo mpandala ny Alahamadibe. Ny alakamisy 19 marsa teo ihany koa no nanamarihina izany, tamin’ ireo vohitra maro. Natao teny amin’ny Doany Ambonga Ilaniara, Imerintsiatosika kosa ny ivon’ny fankalazana tamin’ity. Tontosa nandritra izany ny fitokanana ny lapa sy ny famerenana ireo fomba amam-panao rehetra rehefa Alahamadibe: fidiovana, fanasinana, arendrina, afo tsy maty, lamalama, tatao, tolotra hasina, tsitsika sy joro, tsodrano, zara hasina, dihin’ny Ntaolo, sns. Iray amin’ireo vohitra tsy tapaka nankalaza ny Alahamadibe kosa Anosimanjaka, ary nafana toy ny isan-taona ny fandraisana ny taona faha-465. Notontosana avokoa ny fomba mahazatra, ary narahina ny lanonana izay nafanain’ny mpanakanto maro. Hofaranana amin’ny hiragasy izany, anio, hifanandrinan-dry Robertson avy any Ambohimandroso sy ry Tsy Maka Lagy avy any arivonimamo. Zo ny Aina