TheMadagascarTime

Alatsinain’ny Paka ao Antsirabe : Hiaka-tsehatra ny Randrampeo Fiderana

2026-03-27 - 04:53

Hiavaka ny alatsinain’ny Paka any Antsirabe. Hana­tanteraka seho an-tsehatra any an-toerana, ny 6 avrily tontolo andro, ny Randrampeo Fiderana. Hatao ao amin’ny Kianja Maitso Spam Antsirabe izany. Hanomboka amin’ny 9 ora ny seho, araka ny nambaran’ireo mpikambana eo anivon’ny tarika sy ireo mpitandrina, tetsy amin’ny FJKM Isotry Fitiavana, omaly. « Hialoha­van’ny fotoam-pivavahana izany. Hifandimby hiaka-tsehatra avy eo ary samy hanana 45mn avy ireo antoko mpihira eo anivon’ny Randrampeo », hoy izy ireo. Hiaka-tsehatra manomboka amin’ny 2 ora sy sasany kosa ny Randrampeo ka hitondra hira 20. Hisahana ny fanamafisam-peo ny Fami-Zik ao Antsirabe. Anisan’ny mampiavaka ny Randrampeo Fiderana ny maha tarika iray azy ireo rehefa nitambatra raha samy avy amin’ny antoko mpihira samihafa ny mpikambana. Ani­san’ny mandrafitra izany ny avy amin’ny KT Ambato­vinaky, Ny Kerobina Ankatso, ny Koraita Manarintsoa Fi­noana, ny Hosana Ambo­hijatovo Fitiavana, ny Ampifitia Isotry Fitiavana ary ny Trom­petra Fanantenana 67Ha. Natao ho amin’ny fandraisam-peo ny hiran’ny tarika sy hanaovana rindran-tsary ary koa hanomanana ny tafika Masina sy ny « Grand festival evangélique 3 », any Toa­masina, ny vola ho azo amin’izao seho izao. Hisy rahateo ny fivarotana CD sy DVD ary kojakoja samihafa avy amin’ireo antoko mpihira eo anivon’ny Randrampeo Fiderana amin’ny alatsinain’ny Paka io. Anisan’ny mpiara-miasa sy mpanohana izao hetsika izao ny antoko mpihira sy fikambanana avy amin’ny FLM sy ny FJKM ao Antsirabe. Synèse R.

Share this post: