TheMadagascarTime

Amboditandrohoroho-Toamasina II : Trano 84 ravan’ny tadio, 13 niendaka tafo

2026-02-05 - 11:57

Tokantrano miisa 84 rava tanteraka raha 13 hafa kosa simba ny tafo. Omby sy biby fiompy anjatony maty, hazo fihinam-boa sy voly fanon­drana fohitra tanteraka, toy ny letisia, jirofo. Ireo ny takaitran’ ny fandalovan’ny rambonda­nitra na tadio (tornade) ny sabotsy 31 janoary teo, to­kony ho tamin’y 7 ora hariva ary naharitra 30 minitra teo ho eo, raha filazan’ireo niharam-boina tao amin’ny fokontany Tapakala, kaominina ambanivohitra Amboditandrohoroho, disitrikan’ i Toamasina II. “ Nisy tafiodrivotra nifofofo mafy ary nahitana zavatra mirehitra afo ny fomba fisehony”, hoy ny fijoroana vavolombelona na­taon’ ireo niharam-boina. Noho izany, tsy niandry ela ny fitondram-panjakana, notarihan’ny praiminisitra lehiben’ny govern­emanta, Heri­tsalama Andriamasy Rajaona­rivelo, fa tonga tao an-toe­rana, ny talata 3 febroary teo, nitondra fanampiana voin-kava-mahatratra toy ny vary, savony, fanampin-tsakafo ho an’ny ankizy, fanafody fanadiovana rano, menaka sakafo. Nano­trona azy tamin’izany ny minisitra telo mandrafitra ny governemanta. Nohamafisin’ ny praiminisitra fa firenena misy fanjakana sy mpitondra ny eto ka tsy afaka hijery fotsiny ny fahavoazan’ny vahoaka ao aminy. Eny hatramin’ny any ambany ravinahitra aza. Sambany rahateo ity ta­nàna ity no mba notsidihana mpitondra ambony amin’ny firenena. Na ny tomponandraikitra maro nifandimby anivon’ ny faritra Atsinanana aza raha ny fantatra dia mbola tsy nisy nitsidika tany an-toerana. Sajo

Share this post: