TheMadagascarTime

Ambohimangakely: Lehilahy voaambana sabatra, jiolahy iray tratra

2026-02-05 - 06:17

Nokendren’ireo mpanao ratsy ho vonoina tamin’ny sabatra, nandositra ny lehi­lahy iray nitondra moto, teny amin’ny kaominina Ambohi­man­gakely tsy lavitry ny tobin-dasantsy Jovena, afakomaly alina, tamin’ny 12 ora sy sa­sany. “Miisa telo ireo jiolahy nitondra sabatra sy vy maranitra nikasa handroba io olona avy niasa io”, araka ny fanazavana voaray teo anivon’ny zandarimaria misahana ny famotorana. Nikendry an’io mpitondra moto io ireo mpanao ratsy, nitsoaka sady ni­antso vonjy tamin’ny mano­didina tao anaty haizina ilay lasibatra. Tsy nahazo na inona na inona, nanao tongotra an-katoka ireo mpanao ratsy. Nandositra tany amin’ny toerana maizina izay nisy mpivarotra harina fandrehitra tao Ankadinambo. Niroso tamin’ ny fisafoana teny amin’ny ma­nodidina ny zandary. Nifane­hatra tampoka tamin’ny eki­pan’ny zandarimaria ny iray tamin’ireo mpandroba izay efa nihosim-potaka sy maintin’ny harina, tamin’ny 1 ora sy 40 minitra maraina. Nosamborina io lehilahy io. Nanamarina ilay voaroba fa anisan’ireo nanambana azy sabatra io tra-tehaka io. Nentina natao famotorana ity farany ary karohina ireo namany. Ankoatra io, nosamborin’ny mpitandro filaminana eo anivon’ny polisim-pire-nena, teny Besarety sy Anka­difotsy, ny lehilahy miisa roa voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny halatra moto, ny ala­tsinainy 2 febroary teo. Ni­tran­gana halatra moto teny amin’ ny orinasa iray teny amin’ny kaominina Soavina, distrika Atsimondrano, ny 26 janoary lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy ny moto scooter marika PGO. Nametraka fitarainana momba ireo mety ho ahiahina tamin’io halatra io ny tomponandraikitra eo anivon’ny orinasa voakasika. Vokany, tratra tao amin’ ny trano fonenany, teny Ma­ha­voky Besa­rety, ny 1 feb­roary teo, ny lehilahy iray izay mpiasa eo anivon’ilay orinasa teo aloha. Niaiky heloka sy nitonona ho tompon’atoka tamin’io halatra io izy. Nito­roka ny namany taorian’ny fisamborana azy. Voasam­botra teny amin’ny fokontany Ankadifotsy ilay faharoa. Sarona teny amin’izy ireo ilay moto nangalariny. Tsiferana R.

Share this post: