TheMadagascarTime

Ambohimiadana-Mahitsy : Lehilahy hita faty tao anaty lavadrano

2026-03-30 - 04:23

Lehilahy iray hita faty tao anaty lavadrano, tao amin’ny Toby iray ao Ambohimiadana, kaominina Mahitsy, ny faran’ny herinandro teo. Ilan-kapa no nahafahan’ ny manodidina nahita azy. Lehilahy iray 27 taona hita faty tao anaty lavadrano, tao tao amin’ny fokontany Antsaharatsy, Ambohimia­dana, kaominina Mahitsy, ny alakamisy 26 marsa lasa teo. Ny marain’io, tsy hita tampoka ny lehilahy beazina ao amin’ny toby iray anatin’io fokontany io. “Tsy fantatra ny nalehany nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany maraina”, araka ny angom-baovao teo anivon’ny zandarimaria. Tsy nisy nanana ahiahy momba ny mety ho nahalatsahan’io lehilahy io tao anatin’ilay lavadrano ireo mpiara-monina aminy, tamin’io fotoana io. Olona nisinton-drano no nahita ilan-kapa tam­poka ka nampilaza ny manodidina momba ny fisiana trangan-javatra hafahafa, ta­min’ny 7 ora alina. Natao ny fanamarinana, kinanjo, hita faty tao anatin’ilay lavaka io lehilahy nokarohina io. Nosintomina Nampandre avy hatrany ny lehiben’ny zana-tobim-paritra Ambohimiadana ny mpitandrina izay mitantana io toby nitaizana an’ilay lehilahy hita faty io. Notsilovina tamin’ ny alalan’ny jiro, hita tokoa fa ilay lehilahy notadiavina io namoy ny ainy tao an-davaka io. Nakarina an-tanety ny nofo mangatsiakan’ilay niharan-doza. Nizaha ny razana ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBII Antsaharatsy. Voa­marina fa maty tampoka taorian’ny nilatsahany tanaty lavadrano io lehilahy io. “Sempotra loatra izy ka tsy afa-niaina intsony ary nitarika ny famoizany aina izany”, hoy ny mpitsabo. Natolotra ny fianakaviany ny nofo mangatsiakan’ity farany taorian’ny fitiliana nataon’ny tomponandraikitra. Tsiferana R.

Share this post: