Ampasika : Vehivavy iray hita faty nentin’ny ranon’Ikopa
2026-02-20 - 04:26
Nahitana fatina vehivavy iray manodidina ny 20 taona teo ho eo indray ny reniranon’Ikopa, tetsy Ampasika Avaratra, omaly hariva tamin’ny 5 ora. Olona sendra nandalo teny amin’ny manodidina no nahatsikaritra fatin’olona natsingevan’ny rano. Niondrika tao anaty rano ny fahitana ny razana nandritra izany. Vory lanona ny mponina nahita izany. Lehilahy iray no nitsoraka tany anaty rano ka nampakatra ny razana an-tanety. Mbola hita teny aminy avokoa ny akanjo nanaovany sy ny kirarony, tamin’ny fotoana nahitan’ny olona azy io. Ankoatra izay, nahitana ra teo amin’ny tarehiny ary nisy mangana ihany koa teo amin’ny tongony havanana. Tombanana ho novonoina tany ho any ity vehivavy ity ary natsipy tao anaty rano avy eo, raha ny fahitan’ny olona nanatri-maso ny fampakarana ny razana avy ao anaty rano. Tonga teny an-toerana nizaha ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny polisim-pirenena, taorian’izay. Tsy mbola tonga naka ny razana teny an-toerana kosa ny avy amin’ny BMH, hatramin’ny omaly tamin’ny 6 ora hariva. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy, na maty an-drano na nisy namono. Mino