TheMadagascarTime

Ampitatafika : Hotolorana vary ny traboina sy ny sahirana

2026-02-03 - 05:20

Toerana iray anisan’ny misedra olana amin’ny fiakaran’ny rano ny manamorona iny reniranon’i Sisaony iny. « Tafakatra any an-trano ambany rihana sy ny tokotany ary ny faritry ny toeram-pivoahana mihitsy ny rano », hoy ireo olona monina eny Anja­namaitso, fokontany Ampita­tafika Vaovao. Efa tratran’ny rano niakatra intelo nifanesy ny ankamaroan’ny tranon’ olona eny. Nitombo sy niakatra be ny rano, indrindra tamin’ ny fotoana nandalovan’ny rivodoza Fytia teo. « Ho an’ Ampita­tafika manokana, na­hatratra telo ny trano nirodana nisy koa ny poto nianjera tamina tranon’olona. Tao amin’ny fo­kontany Avaratetezana ny iray ary teny amin’ny fokon­tany Faliarivo ny roa. Tsy nisy ny aina nafoy nandritra izany », hoy ny ben’ny Tanànan’Ampi­tatafika, Ramparoelina Rado. Hisy ny tolo-tanana ataon’ny kaominina manoloana izany. Hotolorana vary ireo traboina sy ireo izay tena sahirana ary ireo nirodana trano eny an-toerana, raha ny nambarany hatrany. Marihina fa maro ny an­tony mahatonga ny rano miakatra. Eo ny fahatsetsenan’ny lakandrano sy ny famelan’ny olona ny gony feno fasika, eny amin’ny tohodrano Ampita­ta­fika, ka mahatonga ny rano tsy handeha. Mino

Share this post: