TheMadagascarTime

Analamahitsy Tanàna : Tsy nanaiky nanala zaza, vehivavy novonoin’ny sipany

2026-03-05 - 04:18

Tsy tana ny ain’ilay tovovavy novonoin’ny sakaizany teny Analamahitsy Tanàna, afakomaly alina. Nanda ny fanerena azy hanala zaza izy ka nakapoka tamin’ny rindrina ny lohany. Voasambotry ny polisy, omaly, ilay lehilahy nahavanon-doza. Nosamborin’ny mpitandro filaminana, omaly, tao Andrononobe, ny lehilahy iray 18 taona namono nahafaty ny sakaizany teny amin’ny fokontany Analama­hitsy Tanàna, boriborintany fahadimy. Naharay antso ma­hakasika herisetra ny polisy ny alin’ny talata 3 marsa. Nidina ifotony nizaha ny zava-misy izy ireo. Nahita vehivavy iray vao 20 taona, hita nihoson-dra tsy lavitra ny trano iray. Voalaza fa niantso vonjy tamin’ny manodidina nandritra ny alina, araka ny fampitam-baovao. Nifamaly tamin’ny sakai­zany izy, araka ny fanazavana hatrany. Zandrin’ilay vehivavy herintaona ity tovolahy ity ka tsy nankasitraka ny vohoka nentin-dratovovavy, raha ny tatitra avy amin’ny polisim-pirenena. Vokany, noterena hanala ny zaza izy. Tsy na­naiky anefa ity farany. Nikasi-tanàna ilay lehilahy. Hita ho tena nanamparany ny fony tamin’ny herisetra ilay tovo­vavy. Nakapoka tamin’ny rindrina ny lohany. Rehefa izay nandositra ilay nahavanon-doza. Nifamonjena Marihina fa raha vao na­hare ny antso vonjy nataon’io vehivavy io ny mponina manodidina dia nanolo-tanana. Nikoropaka nitondra azy teny anivon’ny hopitaly izy ireo. Nandray an-tanana azy avy hatrany ny mpitsabo saingy nananosarotra ny vonjy aina noho ny ratra nanjo azy. Sady voadona mafy izy no very ra be loatra. Vokany, Tsy tana intsony ny ainy, nodimandry omaly maraina izy. Marihina fa mbola afaka nitantara ny nanjo azy ity lasibatry ny herisetra ity. Voazavany tamin’ny antsipirihany avokoa ny zava-niseho sy ny nanjo azy. Na­namora ny asan’ny ny mpitandro filaminana izany. Tsy nananosarotra ny namantatra ilay sakaiza nahavanon-doza. Omaly maraina, niroso avy hatrany tamin’ny fisamborana ny polisy. Atolotra ny fampanoavana aorian’ny famoto­rana ilay tovolahy. Tsiferana R.

Share this post: