Andekaleka : Nitokona ireo mpitrandraka volamena
2026-03-02 - 04:26
Niakatra an-tanàna, nampihorohoro ny mponina ireo mpitrandraka volamena ao Andekaleka, afakomaly. Nitaky ny hamoahana ny namany izay notazomina izy ireo. Miady volamena amin’ny toerana manan-tompo ireto andian’alona ireto. Tsy manana taratasy fahazoan-dalana hitrandraka anefa izy ireo saingy nanao an-keriny hatrany. Niditra an-tsehatra nandamina ny raharaha ny ben’ny Tanàna miasa ao amin’ny kaominina voakasika. Nilanja angady sy fitaovana fampiasany any amin’ny kariera ireo vatan-dehilahy. Niroso tamin’ny fandaminana ny tranga ny tomponandraikitry ny filaminana miasa ao an-toerana. Niroso tamin’ny fanatanterahana ny marimaritra iraisaina ny roa tonta ary niverina amin’ny laonina ny filaminan’ny vahoaka. Tsiferana R.
Share this post: