TheMadagascarTime

Andron’ny 8 marsa – ivato : Vehivavy sahirana 400 nisitraka fanampiana

2026-03-09 - 04:36

Taorian’ny fitrotroana am-bavaka ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy, tetsy amin’ny kianjan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Maha­ma­sina, tonga teny Ivato indray ireo vadin’ny mpanolotsaina avon’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblika sy ny lehiben’ny faritra Analamanga, Raharinirina Clémence, ny faran’ny herinandro teo. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fanamarihana ny An­dron’ny vehivavy hatrany ny hetsika izay nokarakarain’ny fikambanana Destiny, tarihin’ny vadin’ny ben’ny Tanàna eny an-toerana, Randrianari­soa Hoby. Nitondra fanampiana ho an’ireo vehivavy marefo ara-pivelomana sy ireo zokiolona ary ho an’ireo olona manana fahasembanana izy ireo tamin’izany. Samy nahazo vary sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro izy ireo. Nahatratra 400 ireo olona nisitraka ny fanomezana izay voafantina tamin’ireo fokontany 13 mandrafitra ny fokon­tanin’Ivato. Tafiditra ihany koa ao anatin’ny fankalazana sahady ny faha-10 taonan’ny fikambanana Destiny ny hetsika. Niantsehatra hatrany tao anatin’ny fitolomana ho an’ny zon’ny vehivavy sy ny fampivoarana ny fiainan’ny vehivavy ny fikambanana. Manome fiofanana ireo andriambavilanitra hananany fivelomana sy fizakan-tena ara-bola ihany koa ity fikambanana tarihin’ny vadin’ny ben’ny Tanànan’Ivato ity. Efa an’aliny ireo vehivavy nisitraka fanampiana sy fiofanana tao anatin’ny 10 taona nitsanganan’ny fikambanana. Mano­didina ny 200 kosa ireo mpikambana izay mifanohana hatrany amin’ny firotsahana an-tsitrapo amin’ny asa fampivoarana ireo ankohonana sahirana ao Ivato. Hametraka ny vina ao anatin’ny 10 taona manaraka indray ny fikambanana miainga eto ary hanao ny ezaka hatrany ho an’ny sosialy sy ny fampivoarana ny vehivavy, hoy Randrianarisoa Hoby. Tatiana A

Share this post: