TheMadagascarTime

Ankadilalana : Manamboninahitra iray maty voafaokan’ny fiara

2026-02-09 - 04:28

Matin’ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy Ankadilalana Mahamasina, ny manamboninahitra iray eo ani­von’ny Tafika Malagasy, ny sabotsy lasa teo. Fiara, mpitatitra mpiasa, tapaka hisatra no nahatonga ny loza. Namoy ny ainy teny amin’­ ny hopitaly ny manamboninahitra iray eo anivon’ny Tafika Malagasy‚ Lietnà Tsarazarabe Anicet Crescent‚ 26 taona, afakomaly sabotsy. Izay naratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy tetsy Ankadilalana Maha­masina, ny sabotsy 7 febroary, tamin’ny 7 ora maraina teo. Fiara lehibe mpitatitra mpiasa iray, no tra-doza noho ny fahatapahan’ny hisatra tampoka, teny an-toerana, araka ny angom-baovao nataon’ny zandarimaria mpanao famoto­rana. Nidina ny lalana mampitohy an’Anka­dila­lana sy Maha­masina io fiara io. Namotsotra tampoka ny hisatr’ilay fiarabe ka nifatratra tamin’ireo kodiaran-droa miisa roa teo alo­hany. Nipitika vokatr’io loza io, ny moto noentin’io manamboninahitra io sy ny moto iray hafa tra-doza niaraka taminy. Naratra mafy anefa ny iray tamin’ireo mpamily kodiaran-droa ireo, izay tsy iza fa io manamboninahitra na­moy ny ainy io. Nentina teny anivon’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy. Mbola manaraka fitsaboana kosa ilay mpitondra kodiaran-droa iray hafa niharan-doza sy voafoka niaraka taminy. Ankoatra izay, mbola nifatratra tamin’ny fiara roa hafa teo alohany ihany ilay fiara ni­havian’ny loza. Tsy tafajanona raha teny akaikin’ny Bazar du Quartier Mahamasina ilay fiara mpitatitra mpiasa. Tsy nisy ny naratra tamin’ireo fiara, fa nahitana pempo ireo fiara voadona ireo. Fiara telo potika niampy ireo moto roa. Nidina ifotony nanao ny fanadihadiana momba ny tranga ny mpitondra filaminana eo anivon’ ny zandarimaria. Taorian’ny loza, notazomina natao andrimaso ny mpamilin’ny fiara nahatonga ny loza. Natao veloma tetsy amin’ny BAF Noentina natao veloma farany teny anivon’ny Batail­lon d’Appui–Feu (BAF) tetsy Ampahibe Betongolo ny va­tana mangatsiakan’io manamboninahitra namoy ny ainy, omaly. Noentina nihazo an’ Am­baladabo‚ kaominina Ka­landy, distrikan’i Mandritsa­ra, faritra Sofia kosa ny razana taorian’izay, hanantantera­hana ny fandevenana. Tonga nanatrika izany teny an-toe­rana, ny minisitry ny Foloa­lindahy Malagasy sy ny Lehi­ben’ny Etamazaoron’ny Tafika Malagasy‚ ireo manamboninahitra Jeneraly sy manamboninahitra ambony, manamboninahitra maro‚ ary ny zanaky ny faritra Sofia. Marihina fa nivoaka tamin’ny andiany faha-45 tao amin’ny Académie Militaire Antsirabe ary miasa ao amin’ny BAF (Bataillon d’appui-feu) Antananarivo izy io, tamin’ny fotoana fahavelomany. Tsiferana R / Mino

Share this post: