TheMadagascarTime

Ankazobe : Nahitana taolambalo niparitaka teny an-tanimbary

2026-01-28 - 05:53

Nahitana taolambalo efa niparitaka teny andrefan-tanànan’i Manjaka, fokontany Voninahitrinitany II, disitrika Ankazobe, ny 26 ja­noary 2026, tokony ho tamin’ny 3 ora sy sasany folakandro. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra izany tany anaty tanimbary ka nampandre ny tomponandraikitra. Tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadiha­diana ny zandary miasa ao amin’ny Brigade territoriale Ankazobe, taorian’ny antso. Taolambalo efa niparitaka tamin’ny toerana samihafa no hita. Nahitana karandoha iray, taolan-dava telo, “machoire” iray ary fita­fiana iray efa simba teny amin’ ny manodidina. Tsy nisy na­hafantarana ny razana in­tsony, heverina ho andro maro ny nahafatesan’io olona io. Tsy mbola hita kosa ireo ambin-taolana hafa. Nisy lehilahy iray 54 taona, mipetraka ao Ambondrona, fokontany Voninahitrinitany II, efa tsy hita nanomboka ny 19 janoary 2026 lasa teo, raha ny angom-baovao nataon’ireo mpitandro filaminana niandraikitra ny famotorana. Mipetra-drery io lehilahy io ary hitan’ny olona mivezivezy eny amin’ny manodidin an’Ankazobe. Nampiahiahy ny fokonolona ny tsy nahitana azy ary heverina ho izy io hita faty io. Mpi­sotro toaka ary matetika mamo izy. Tombanana ho nianjera tany anaty lakandrano izy tamin’ny fotoana nahamamo azy ka maty. Notarihan’ny alika ny fatiny ka izay no na­hatonga ireo taolambalo niparitaka ireo. Mbola tsy voafaritra mazava ny tena anton’ ny fahafatesana. Natolotra ny fianakaviana ireo taolambalo sisa tavela mba ho alevina taorian’ny fanadihadiana sy ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Mino

Share this post: