TheMadagascarTime

Anosipatrana : Lehilahy nandroba volan’ny mpampiasa 3 tapitrisa Ar

2026-03-24 - 04:24

Voasambotry ny mpitandro filaminana teo am-panatanterahana ny asa ratsiny ny lehilahy iray teo Anosipa­trana « Trano dimy », ny alin’ny sabotsy 22 marsa lasa teo. Nanao fisafoana nandritra ny alina teny amin’io faritra malaza ratsy amin’ny tsy fandriampahalemana io ny eki­pan’ny polisim-pirenena. Na­haray antso an-telefaonina izy ireo fa misy olona mampiahiahy tratra mihanika tambohon’olona. Tonga ara-potoana ny polisy ka nosamborina io olona io. Natao ny fisavana ity farany. Nahatrarana kitapo teny aminy. Nahitana vola mi­tetina 3 tapitrisa Ar latsaka, niampy antsy sy fanalahy ma­romaro, teny amin’io lehilahy io. Natao fanadihadiana, niaiky heloka izy fa avy nangalatra ireo vola ireo. Ny mpampiasa azy ihany no niharan’ny fandrobana. Nikasa handositra taorian’ny asa ratsiny io mpiasa io saingy tsikaritry ny manodidina. Nentina avy ha­trany teny amin’ny biraon’ny polisy izy. Naverina amin’ny tompony ny vola nangalariny. Atolotra ny fampanoavana tsy ho ela ny raharaha aorian’ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana. Tsiferana R.

Share this post: