TheMadagascarTime

Asa fanaovan-gazety : Natsangana ny komity hisolo ny OJM

2026-01-25 - 21:08

Natsangana, omaly, ny komity vonjimaika hi­solo toerana ny Hola­fitry ny mpanao gazety (CTOJM), taorian’ny nahataperan’ny fe-potoam-piasan’ireo birao. Na­joro izany hialana amin’ny fahabangan-toerana. Miisa 18 ireo fikambanana mpanao gazety nivory nanapaka izany. Hiantoka ny hitohizan’ny asa ny CTOJM mandra-pahatongan’ny fifidianana. Tapitra rahateo ny fe-po­toam-piasan’ny biraon’ny OJM. Nambaran’ireo nivory tamin’izany fa natsangana io komity io ho fialana amin’ny mety ho fahabangana hitranga. Na izany aza, tsy manan-jo handray fanapahan-kevitra stratejika na fanapahan-kevitra lehibe ny CTOJM. « Mano­hy ny asa fototra sahanin’ny OJM fotsiny ihany, mandra-pijoron’ny rafitra vaovao voa­fidy amin’ny alalàn’ny fifidianana », hoy izy ireo. Ankoatra izay, miandraikitra ihany koa ny fiarovana ny zon’ny mpanao gazety, ny fanelanelanana raha sendra misy trangan-javatra momba ny asa fanaovan-gazety ny komity. Eo koa ny fanaraha-maso ny fanajana ny etika sy ny deontolojian’ny asa fanaovan-gazety, mifanaraka amin’ ireo soatoavina iombonan’ny mpanao gazety rehetra maneran-tany. Mandrindra ny raharaha andavanandro koa ny CTOJM. Tsiahivina fa tsy afaka mi­rotsaka ho fidina amin’ny fifidianana handrafitra ny birao vaovao eo anivon’ny OJM ireo mpikambana ao anatin’ny CTOJM. Hitsahatra hoazy ny asan’ny kaomity vonjimaika vantany vao mijoro ny birao vaovao. Mbola hampahafantarina tsy ho ela ireo mpikambana eo anivon’ny vaomiera efatra natsangana eo anivon’ny komity. Synèse R.

Share this post: