TheMadagascarTime

Asa fosika any Canada sy Suisse : Mpisoloky efatra voasambotry ny polisy

2026-01-27 - 05:22

Voasambotry ny polisy ny mpisoloky miisa efatra, ny faran’ny herinandro teo. Milaza ho mahita asa any Canada sy Suisse izy ireo. Teratany pakistanais ny iray izay mivarotra pasipaoro sandoka 6 000 hatramin’ny 8 000 dolara. Manoloana ny firongatry ny fisolokiana mifandraika amin’ny famarinan’olona, nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, ny eo anivon’ny polisim-pirenena. Nita­rika izany ny tale misahana ny fanaraha-maso ny fivezivezena sy ny fifindra-monina, ny Com­mis­saire divisionnaire de police, Samy Harison Olivier, no­tronin’ny mpiara-miasa aminy. Voarohirohy tamina raharaha fisolokiana ho mandefa hiasa amina sambo na « ba­teau de croisière » ny olona roa. Amin’ny tambajotran-tserasera, Facebook, no mitady olona izy ireo. « Lazainy fa misy mandray mpiasa amina sambo mpitondra mpizahatany any Maldives. Hakan’izy ireo vola hatramin’ny 2 tapitrisa Ar izay olona roboka amin’ilay asa », hoy hatrany ity manamboninahitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena ity. Marihina fa tena manao fiofanana amina hotely iray ao Toa­masina, mandritra ny herinandro ny lasibatra. Lasan’izy ireo ny vola aorian’izay, ka ma­nomboka ny fandrirarirana. Vita ny fiofanana, lasan’izy ireo ny vola, nefa ny asa tsy misy akory. Ny fanadihadian’ny polisy no na­halalana fa efa 17 ny olona voasoloky sy very volabe. Nito­ry izy ireo, nanomboka ny fa­motorana, haingana ny fomba fiasa ka nahasamborana azy ireo teto an-dRenivo­hitra. 6 000-8 000 dolara Ankoatra ireo mpisoloky ireo, mbola nahasambotra teratany karana iray koa ny polisim-pirenena. Tratra nisoloky tamin’ ny tambajotran-tserasera izy. Milaza ho mahavita manamboatra pasipaoro malagasy sy georgianina ary indonesianina izy. Mivarotra izany amin’ny vidiny 6 000 hatramin’ny 8 000 dolara ny iray. Vehivavy iray hafa kosa no voarohirohy tamina fisolokiana fandefasana olona hiasa any Canada sy Suisse. Ao amin’ny Facebook hatrany izy no manjono izay ho lasibatra. Mampi­asa kaonty fako izy. Marobe ny olona voafitany noho ny fisian’ilay asa any Canada. Betsaka ny nifampiresaka taminy ka nahazoany vola 3 hatramin’ny 5 tapitrisa Ar. Lazainy fa hikarakarana ny antontan-taratasy rehetra izany. Voaloa ny vola, tsy hita intsony izy aorian’izay. Misy ireo niandry vasoka noho ny fampanantenany fa mbola miandry fifanarahana avy any Suisse ny antontan-taratasy mialoha ny fiaingana. Miisa sivy ny olona lasibatr’ity renim-pianakaviana mpisoloky ity. Jean Claude

Share this post: