TheMadagascarTime

Atrikasa fanavaozana sy fanovana : Tokony harovana ireo sahy mitoroka

2026-02-21 - 06:16

Notanterahina teny amin’ny Artec Andohatapenaka, tao anatin’ny roa andro, ny atrikasa ho fiarovana ireo sahy mitoroka. Nivoitra tamin’izany fa fanavaozana iray afaka manova ny fiainan’ny Malagasy izany. Nisongadina koa fa fiarovana ny tombontsoa iombonana ny fiarovana ireo sahy mitoroka. Mifanindran-dalana amin’ny fankatoavan’i Madaga­sikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ny « Conven­tion des Nations Unies contre la Corruption – CNUCC » izany. Nambaran’ireo mpizaika fa mihoatra lavitra noho izany ny fahatsapan’ny firenena malagasy ny tokony hanamafisana ny fangaraharana sy ny fandraisana andraikitra, ary fanafoanana ny kolontsaina mifototra amin’ny tahotra. « Hiroso amin’ny fanatsarana farany ny fandrafetana ny volavolan-dalàna ahafahana ma­hazo fankatoavana isika aorian’izao », hoy ny tomponandraikitra. Mikendry ny hamorona sehatra iray ity lalàna ity ka tsy hanimba fiainan’olona intsony ny fitenenana ny marina. Mety ho dingana lehibe sy manan-tantara amin’ny ady amin’ny tsimatimanota eto Ma­dagasikara izany raha ankatoavina sy tanterahina amin’ny tokony ho izy, araka ny nivoitra tamin’ny atrikasa. Tsy fanavaozana ara-teknika ho an’ny mpahay lalàna fotsiny, fa raharaha mahakasika mivantana ny vahoaka malagasy ny fiarovana ireo mpam­paneno lakolosy. Nora­isina ho ohatra tamin’izany fa matetika, fantatra ny trangana kolikoly iray satria nisy olona iray sahy niteny sy nanambara ny marina. Mety hovidiana lafo anefa izany fitorohana izany raha tsy misy fiarovana mazava sy hentitra, ny mpisitona lakolosy. « Mety ho very asa, iharan’ny tsindry sy fandrahonana, voahilika eo amin’ny sehatra iasany, ary mety voantohintohina aza ny fianakaviany. Misafidy ny hangina ; nefa manome vahana ny kolikoly hitombo sy hiroborobo ny fahanginana », hoy izy ireo. Synèse R.

Share this post: