TheMadagascarTime

Badminton – Afrique 2026: Tsy namokatra ny Malagasy

2026-02-20 - 04:57

Notontosaina tany Gaborone, Botswana, ny 9 hatramin’ny 12 febroary lasa teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja badminton, sokajy Senior. Nandray anjara teo amin’ny lehilahy i Madagasikara ka niray vondrona tamin’i Algerie sy i Zambie. Ratsy ny vokatra, satria tsy nivoaka vondrona ireo mpilalao niatrika izany. Teo amin’ny lalao voalohany, resin’i Algerie tamin’ny isa 5 no ho 0, ny Malagasy. Ho an’olon-tokana, resin’i Adel Hamek, i Lalaina (21/18 ; 21/18). Mbola lavon’i Mohamed Belarbi ihany koa i Tokinirina (21/10 ; 21/13). Tsy tafavoaka ihany koa Andriambola nanoloana an’i Mohamed Ouchefoun. (21/14 ; 21/13). Teo amin’ny olon-droa, resin’i Mammeri sy i Sabri Medel, tamin’ny seta roa 21/13 , 21/12, i Lalaina sy i Tokinirina. Niondrika teo anatrehan’i Oussama Kedou sy i Mohamed Ouchefoun koa i Hery-Zo sy Andriambola (21/10 ; 21/7). Niatrika an’i Zambie indray avy eo, mbola resy tamin’ny isa 5 no ho 0 ihany koa. Ho an’olon-tokana, resin’i Kalombo Mulenga i Lalaina (21/10 , 21/12). Lavon’i Chongo Mulenga i Tokinirina (21/13 ; 21/12) ary Hery-Zo, tsy tafavoaka nanoloana an’i Rodrick Mwansa (21/11 ; 21/6). Teo amin’ny olon-droa, resy daholo i Lalaina sy i Toky ary i Hery-Zo sy Andriambola. Marihina fa nianto-tena ireo Malagasy mpilalao tamin’ity dian’izy ireo ity. Tompondaka

Share this post: