TheMadagascarTime

Banky AFG sy NIM: Fiaraha-miasa manakaiky ny mpanjifa

2026-02-28 - 05:26

Sambany! Voalohany eto Madagasikara no nisian’ny fiaraha-miombon’antoky ny samy mpisehatra amin’ny tontolo ara-bola. Nampahafantarina omaly, ny fiaraha-miasan’ny banky AFG sy ny Ivontoerana sampandraharaha ara-bola madinika vaovao (NIM). Nilaza ny tale jeneraly (DG) ny NIM, Harizaka Rakoto, fa zava-baovao tokoa ity fiaraha-miasa ity. Mifameno ireo, koa, azo atao ny mikirakira vola eny amin’ny masoivohon’ny NIM, ho an’ny mpanjifan’ny AFG. Fisintonana na fandrotsahana vola no hanombohana an’ity fiaraha-miasa ity fa mbola hiitatra amin’ny tolotra ara-bola samihafa izany, aoriana. Manana masoivoho 25 manerana ny Nosy ny NIM, raha 5 ny AFG Bank, ka efatra eto Antananarivo, miampy an’i Toa­masina. Nanamafy ny Tale jeneralin’ny AFG Bank, i Kadiatou- Ina Diallo, fa santatra ambavarano ihany ity fiaraha-miombon’antoka ity fa mbola hitohy amin’ny tolotra hafa. Tanjona ny hisian’ny fandraharahana ara-bola ho an’ny rehetra sady tsy manavaka, manakaiky kokoa ny mpanjifa. Njaka A .

Share this post: