TheMadagascarTime

Banky Sipem-Materauto : Nitarina ny fiaraha-miasa

2026-03-14 - 05:56

Nanomboka tamin’ny fa­namorana ny fividianana moto marika Loncin sy Voge ny fiaraha-miasan’ny banky Sipem sy ny orinasa Materauto, natao sonia ny 31 janoary 2025. No­havaozina izany, ankehitriny, ka nitarina any amin’ny fi­vi­dianana fiara, fiarabe, fitaovana vaventy,..., fitaovana ma­mokatra angovo avy amin’ny masoandro. Tanjona ny ha­ni­tarana ny fampandrosoana ara-toekarena eto Mada­gasi­kara. Nohamoraina ny fa­hafa­han’ny mpanjifa mahazo ireo fitaovam-pitaterana amidin’ny Materauto. Notsorina ny fikarakarana ny antontan-taratasy, sady nohafainganina ny fi­voahan’ny valiny. Nitarina ha­trany amin’ny 60 volana ny fe-potoana hanonerana tsikelikely ny vidiny. Misy ny fiantohana ny mpanjifa mba hiarovana azy sy raha sanatria maty izy. Azo antonin’ny mpanjifa daholo ireo masoivohon’ny banky Sipem miisa 29 manerana ny Nosy, ankoatra ny an’ny Ma­terauto. Nilaza ny tale jeneralin’ny banky Sipem, Benoît Sarrau­te, fa «ao anatin’ny paikady ha­nohananay ny mpandraharaha sy ny matihanina amin’ny fampiasam-bolany ity nanitarana ny fiaraha-miasa amin’ny Materauto ity». Nanamafy ny tale jeneralin’ny Materauto, Rémi Auge, fa « azo antoka fa vahaolana mahomby ny nanitarana ho karazana fiara sy fi­taovana ho an’ny angovo. Tan­­jona ny hampaharitra ny seha-piharian’ireo mpandraharaha samihafa isan-tsokajiny ». Njaka A.

Share this post: