Baolina Kitra : Mitaky ny volany ireo mpandraharaha
2026-02-18 - 04:48
Telo volana aty aoriana vao milaza ireo mpandraharaha, niara-niasa tamin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra fa tsy azo ny volany. Nihaona tamin’ny mpanao gazety, teny Ambanidia, ny solontenan’izy ireo, omaly. “Tsy mila korontana akory izahay fa mitaky ny rariny sy ny fanajana ny fifanarahana”, hoy i Andry Andriamalala. Nohamafisin’i Hajatiana Randrianantenaina fa mila efaina tsy misy fizarazarana ny faktiora rehetra hatramin’izay. Hampiharina ny sazy noho ny fahatarana araka ny fifanarahana, izay tokony holazain’ny Federasionina mazava sy an-tsoratra ny daty farany handoavana ireo trosa rehetra. Notsiahiviny fa efa nihaona tamin’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena izy ireo mialoha ny hidirana amin’izao dingana fialana nenina izao. Voalaza fa miisa 30 ireo mpandraharaha tsy voaloa vola manerana ny Nosy. Ao ireo misehatra amin’ny fampiantranoana, ny fitaterana, ny mpivarotra fitaovana sy fanamiana sy ny maro hafa. «Tsy manaiky ny fandoavana ampahany intsony izahay fa manimba ny fitokisana sy mampiditra anay anatin’ny fahasahiranana izany», hoy i Hajatiana. Nomarihiny fa ny fahitana ilay tsenam-barotra matotra, voalaza fa ny Fifa no mandoa ny vola, no nandrisika azy ireo. Orinasa sy mpiasa maro no niantehitra tamin’ izany ka nisambo-bola tamin’ny banky ary lasa misedra olana ankehitriny. Tompondaka