Baolina kitra : Nisongadina ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC
2026-03-02 - 04:46
Notontosaina omaly, teny amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-pass, ny lalao ara-pirahalahiana, hitadiavana vola hanampiana an’i Toamasina. Nahita fandresena teo anatrehan’ireo ekipa voafantina avokoa na ny Disciples FC Vakinankaratra na ny Elgeco Plus Analamanga. Ny solontenan’Analamanga nandavo ny mpilalao mendrika kaonferansy atsimo, tamin’ny isa 3 no ho 1. Etsy ankilany, resin’ny Disciples, 2 no ho 0, ny ekipa voafantin’ny vondrona avaratra. Marihina fa izay vola rehetra azo tamin’iny lalao iny dia hatolotra ny faritra Atsinanana avokoa. Nilaza ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra, Randriamanampisoa Alfred, fa “manohana sy miray fo amin’ny faritra Atsinanana ny tenany ary mampahery ireo traboina, indrindra ny mpisehatra amin’ny baolina kitra any an-toerana”. Tsy teny an-toerana i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea, fa ny “staff” miara-miasa aminy no nanatrika ny fifanandrinana rehetra. F.R