TheMadagascarTime

Baolina kitra – PFL : Manamafy ny toerany ny Disciples Fc

2026-03-23 - 04:52

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, ny andro fahasivy sy fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Ho an’ny kaonferansy Atsimo, mbola mitana ny lohany sy manamafy ny toerany, ny Disciples Fc Vakinankaratra. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 4 no ho 2, ny As Ste Anne, afakomaly tany Antsirabe. Nifandimbiasana ny fifanafihana teo amin’ny roa tonta, nandritra ny fizaram-potoana voalohany. 19 minitra nilalaovana, nanokatra ny isa ny ekipan’i Vakinankaratra, tamin’ny alalan’i Thino. Io isa 1 no ho 0 io nentin’ny roa tonta niala sasatra. Nandritra ny fidirana faharoa, nisy olana teo amin’ny fitsarana. Niato nandritra ny 12 minitra ny lalao rehefa nahatafiditra baolina faharoa ho an’ny Disciples FC, i Fabrice. Nitohy ny lalao, mbola niampy ny isa ho an’ny solontenan’i Vakinankaratra. Nahatafiditra baolina i Tendry sy i Fabrice. Tafakatra 4 no ho 1 ny isa teny amin’ny solaitrabe. Tany amin’ny faha-88 ny minitra, nampihena ny elanelan’isa i Jao, lohalaharan’ny As Ste Anne. Niafara tamin’ny isa 4 no ho 2 ny lalao. Fitia Randria

Share this post: