Barean’i Madagasikara : Ahina tsy ho raikitra ny lalao amin’i Oganda
2026-03-17 - 04:45
Araka ny fikarohana natao omaly, nilaza ny vaovao iray any Oganda, Swift Sports Uganda, fa tsy ho raikitra noho ny antony tsy mazava ny lalaon’i Madagasikara sy i Oganda, izay hatao any Antalya Torkia, ny 31 marsa ho avy izao. Tafiditra amin’ny “Fenetre Fifa” ity fifanandrinana ity. Nilaza ity pejy ity fa tsy miatrika lalao ara-pirahalahiana ny ekipa nasionaly ogandey amin’ity volana marsa ity. Etsy ankilany, milaza ny avy ao amin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) fa tsy mbola nisy ny fampahafantarana ofisialy mahakasika izany, saingy hanontany ilay mpikarakara ny lalao ara-pirahalahiana any amin’ny Fifa izy ireo. Aorian’izay vao fantatra mazava ny valin’izany. Ankoatra izay, nambaran’ity lehibe iray eo anivon’ny federasionina ity fa mety hahemotra ny lalaon’ny klioba iray eto Madagasikara raha mihoatra ny telo ny mpilalao voaantso Barea ao aminy. Araka ny fanazavany ihany, mety hivoaka alohan’ny 20 marsa ny lisitry ny ekipam-pirenena Barea ary amin’io daty io ny mpilalao no hiainga eto Madagasikara ho any Torkia. Hatreto, mpilalao roa avy eto an-toerana ihany no fantatra fa efa nahazo fiantsoana hanatevina ny ekipam-pirenena Barea, na dia efa heno aza hoe maro ireo mpilalao avy eto an-toerana no antsoina ekipa nasionaly. Marihina fa i Kirghizistan, laharana faha-103 sy Oganda, faha-88 maneran-tany, no hifandona amin’ny Barea, any Torkia, amin’ity volana marsa ity. F.R