Barean’i Madagasikara : Hilalao any amin’ny firenena eoropeanina sy afrikanina
2026-02-20 - 04:57
Raha tsy misy ny fiovana farany, hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Tafiditra amin’ny “Fenêtre Fifa” hatao ny volana marsa ho avy izao. Hiatrika lalao ara-pirahalahiana roa ny Barea, mandritra ny “Fenêtre Fifa” amin’ny volana marsa ho avy izao. Araka ny siosion-dresaka mandeha sy ny filazan’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, dia firenena avy any Eoropa sy Afrika no hanaovan’ny ekipa nasionaly andrana. Raha ny heno dia iray amin’i Azerbaïdjan sy i Luxembourg na i Afghanistan, ekipa nasionaly ao Eoropa no hifandona amin’ny Malagasy. Ny ao Afrika indray, iray amin’ireo firenena mandray ny fifaninanana “Can 2027”, toa an’i Oganda sy Tanzanie ary Kenya no hifampitana amin’ny Barea. Raha tsy misy ny fiovana farany, hatao any Torkia ireo lalao fitsapana an’ny ekipam-pirenena malagasy ireo. Hatramin’ny omaly, mbola tsy nisy ny fampahafantarana ireo fandaharam-ponoana tao amin’ny tambajotran-tserasera ofisialin’ny FMF. Efa saika namoaka ireo mpifanandrina aminy mandritra ny “Fenêtre Fifa” kosa ny firenena hafa. Anisan’izany i Senegal, tompondakan’i Afrika farany teo. Torak’izany i Maroc, laharana voalohany aty Afrika, amin’ny filaharan’ny Fifa. Andrasana ny fanambarana ofisialy avy amin’ny Federasionina sy ny fivoahan’ny lisitry ny mpilalao ary ny hitohizan’ny asa ho an’i Corentin Martins na tsia. Tsara marihina fa ny lalao ara-pirahalahiana tahaka izao dia ilaina hampakarana ny laharan’ny ekipam-pirenena ao amin’ny Fifa. Raha ny farany teo, niakatra eo amin’ny faha-105 ny laharan’ny Barea. Fitia Randria