TheMadagascarTime

Barean’i Madagasikara : Voatazona ho mpanazatra i Corentin Martins

2026-02-23 - 04:56

Mitohy ny asa amin’ny fitondrana ny ekipam-pirenena malagasy, Barea, ho an’i Corentin Martins, frantsay portiogey mpanazatra. Tanjona ho tratrariny amin’ity ny hiatrehan’ny Barea de Madagascar ny Can 2027. Tapitra hatreo ny siosio-dresaka mahakasika an’i Corentin Martins, frantsay mpanazatra ny ekipam-pirenena Malagasy, ny Barea. Notontosaina afakomaly, tetsy amin’ny Kianja Mahamasina, ny fifanaovan-tsonia teo aminy sy ny minisitera, ary ny federasionina. Raha ny fanazavana azo teny an-toerana, tsy nisy ny fiovana eo amin’ny fifanarahana. Maharitra herintaona ny fotoam-piasan’ity frantsay ity saingy azo havaozina. Ny tanjona tsy maintsy ho tratrarin’ny mpanazatra vaovao, ny hiatrehan’ny Barea, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Can 2027. Fifani­nanana ho tanterahina any Oganda, Tanzania, Kenya. “Natao ny fifanarahana toy izao, noho ny fahatsapanay fa tsara ny vokatra azon’ny ekipa nasionaly, tamin’ireny ady tapakilan’ny Mondial 2026. Manantena izahay fa mbola hihatsara hatrany ny ekipam-pirenena malagasy, ary ho tafita amin’ny Can ho avy io i Madagasikara”, hoy ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Rasambany Alain Désire. Tsy nisy nipika ny resaka mahakasika ny karaman’i Corentin Martins. Vaovao diso Nandiso ny vaovao miely momba ilay resaka mandeha any anaty tambajotran-tserasera kosa, ny filohan’ny Fe­derasionina malagasin’ny b­a­o­lina kitra (FMF), Ran­dria­manampisoa Alfred. Raha ny filazany, tsy marina ny vaovao milaza fa handeha ho any Gabon izy. Nambaran’ i Corentin Martins, fa faniriany ny nijanona ao amin’ny Barea. Vonona ny hanatsara hatrany ny ekipam-pirenena izy raha ny nambarany. Handrasana indray ny anaran’ny firenena hanao fitsapana amin’ny Barea, ny volana marsa ho avy izao. Ankoatra izay, hanampy olona roa ao amin’ny “staff” i Corentin Martins. Raha ny fanampim-panazavana azo, mpanazatra mpanampy sy mpitsabo izany. Fitia Randria

Share this post: