Basikety-« Coupe du Monde » : 12 mirahalahy handrafitra ny lisitra farany
2026-02-18 - 04:48
Namoaka ny lisitra farany, mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena hiatrika ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety Seniors 5×5, hatao any Sénégal, ny 26 febroary hatramin’ny 1 marsa izao, ny federasionina. 12 mirahalahy no mandrafitra ny ekipa malagasy. Mpilalao avy eto an-toerana ny 7 ary mpilaravinahitra ny 5. I Douaglin John sy Rakotonanahary Ndranto kosa ny mpanazatra. Raha ny fandaharam-potoana, hanainga ny zoma 20 febroary izao ny delegasionina avy eto an-toerana ary hamonjy ireo mpilalao milaravinahitra any Sénégal, hanohy ny fampivondronana. Anatin’ny fahasalamana sy tanjaka avokoa ireo mpilalao, raha ny nambaran’ny mpanazatra. Mi.Raz Lisitry ny mpilalao, ankoay Arriers: M’Madi Mathias, Rakotovao Marco. Ailiers: Razanamahenina Niady, Randriamananjara Johan, Rasolonjatovo Austin, Ratinarivo Livio, Randriamampionona Elly, Rasolonandrianina Hasina. Intérieurs: Faralahy Monja Romain, Raharimanantoanina Sitraka, Solondrainy Arnol, Rasolomanana Anthony Mpanazatra 1: Douaglin John Mpanazatra 2: Rakotonanahary Ndranto