TheMadagascarTime

Basikety: Efatra herinandro ny fampivondronana

2026-01-28 - 05:53

Nanomboka ny alatsinainy 26 janoary lasa teo, haharitra hatramin’ny 20 febroary izao, ny fampivondronana ireo mpilalao eto an-toerana mandra­fitra ny Ankoay. Hitiliana izay ho ekipa nasionaly hiatrika ny lalao fifanintsanana ho amin’ ny fiadiana ny amboara maneran-tany 2026, taranja basi­kety, izy ity. Raha ny fandaharam-potoana, fanomanana ara-­batana sy “Technico tactique” no hiarahan’ireo mpilalao amin’ny mpanazatra mandritra ny 3 herinandro. Hiampy lalao izany amin’ny herinandro faran’ny fampivondronana. Ao­rian’izay, hihazo avy hatrany an’i Dakar ireo delegasionina ka hanao fampivondronana miaraka amin’ireo mpilalao avy ivelany. Nambaran’ny mpa­nazatra Ankoay, Rakoto­nanahary Ndranto, fa manana 6 andro eo hiarahana manao fanazarantena ireo mpilalao avy eto an-toerana sy ny avy ivelany, any Dakar. Efa mia­trika fifaninanana ihany ireo mpilaravinahitra ireo ka efa azo lazaina ho ampy kotrana. Nanamafy ihany koa izy fa mpilalao efa zatra niaraka ireto nantsoina ireto, misy vi­tsivitsy kosa anefa ireo vaovao ka misy ny paikady efa napetraka hampahomby ny fahaiza-miaraka. « Tamin’ny fifaninanam-pirenena natrehan’izy ireo, ny taona 2025, no nitiliana ireto mpilalao miatrika fampivondronana ireto », hoy ny fanazavan’ny Tale teknika nasionaly eo anivon’ny Federasio­nina malagasin’ny basikety, Raza­fiarivony Solofohery Angelot. Miditra amin’ny andro fahatelo, anio, ny fampivondro­nana ary mizotra tsara izany, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­sina. Mi.Raz

Share this post: