TheMadagascarTime

Basikety-FMBB: Hatao ny 11 febroary ny fifidianana

2026-01-29 - 09:13

Tapitra amin’ity volana janoary ity ny fe-potoana itantanana ho an’ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny basikety ankehitriny, izay tarihan’ny filohany, Ramaroson Jean Michel. Araka izany, nivoaka ny fampiantsoana fivoriambe sy fifidianana. Hatao ny alarobia 11 febroary izao, eto Antanana­rivo, saingy mbola tsy voafaritra mazava ny toerana hanaovana izany, hatreto. Ho an’ny ligy kosa, efa napetraka tamin’ny volana novambra 2025 fa ny 26 janoary lasa teo no daty farany hahafahan’ny ligy manatanteraka fifidianana. Misy ligy roa, Atsinanana Atsimo Atsinanana, tsy nahavita izany, araka ny fampitam-baovao voaray. Raha ny fandaharam-potoana, hotanterahina ny alarobia 11 febroary tapany maraina, ny fivoriambe hanaovana ny tatitra ara-bola sy ara-moraly, hitohy avy hatrany amin’ny fifidianana izany aorian’izay. Ny hariva kosa no hanaovana ny fanambarana ny fandaharam-potoana ho an’ny taom-pilalaovana 2026 sy ny filazam-baovao samihafa. Mbola tsy misy anarana nivoaka aloha hatramin’izao ny amin’izay mety ho kandidà hifaninana amin’ity fifidianana ity fa samy miandry ny rehetra! Mi.Raz

Share this post: