Basikety- Mondial 2027 : Lavon’i Sénégal ny Ankoay Madagasikara
2026-03-02 - 04:46
Hatramin’ny asabotsy teo, tsy mbola nahita vokatra tsara tamin’ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny ”Mondial 2027” ny Ankoay. Resy fanindroany teo anatrehan’i Sénégal indray izy ireo. Notontosaina omaly, tao amin’ny Kianja Marius Ndiaye Dakar, Sénégal, ny andro faharoan’ny fifanintsanana Mondial izay hatao any Qatar, ny taona 2027. Niondrika teo anatrehan’ny Lion de la Teranga Sénégal, tamin’ny isa 99 no ho 66, ny Ankoay Madagasikara. Raha hiverenana ny fifanandrinan’ny roa tonta, tsy nahatohitra ny tompon-tanana mihitsy ny Malagasy nandritra ny 40 minitra nilalaovana. Teo amin’ny folo minitra voalohany, “1er quart-temps (QT1)”, telo ihany ny elanelan’isa ho an’ny roa tonta, resin’i Sénégal 22 no ho 19 i Madagasikara. Tao anatin’ny fe-potoana folo minitra faharoa (QT2) nefa, nasehon-dry Brancou Badio, kintana sénégalais, ny talentany ka lasa 54 no ho 31 ny isa teny amin’ny solaitrabe, mbola mitarika hatrany ny liona ary io isa io no nentina tany amin’ny fialantsasatra. Tao anatin’ny fe-potoam-pilalaovana fahatelo (QT3), sahirana tanteraka ny Malagasy izay nisy an-dry M’Madi sy Sitraka ary Kiady, nanoloana an-dry Brancou Badio sy ny namany. Lasa nifanalavitra tanteraka ny isa, nitarika 82 no ho 48 ny mpilalaon’i Sénégal. Niafara tamin’ny isa, 99 no ho 66 izany, resy ny Ankoay. Araka ny fikarohana natao, Razanamahenina Kiady, Malagasy mpilalao no nahatafiditra isa betsaka indrindra (13 isa) tao amin’ny Ankoay, nandritra ity fifandonana tamin’i Sénégal ity. Ity no faharesena faharoa ho an’ny ekipa nasionaly malagasy. Tsiahivina fa efa lavon’ny Repoblika Demokratika an’i Congo (RDC), 87 no ho 79, i Madagasikara, teo amin’ny andro voalohany. Omaly alina, nifandona tamin’i Côte d’Ivoire i Madagasikara. Marihina fa i Côte d’Ivoire no laharana voalohany ao amin’ny vondrona misy an’i Madagasikara. Amin’ ny volana jolay ho avy izao ny fihodinana manaraka amin’ity ady tapakila handehanana any Qatar ity. Fitia Randria