TheMadagascarTime

Basikety-Ratianarivo Livio: “Mila tanjaka ara-batana raha te hahomby”

2026-01-30 - 07:58

Miditra amin’ny andro fa­ha­dimy, anio, ny fampivondronana ny Malagasy mpilalao, Ankoay, taranja basikety, ha­no­manana ny fifanintsanana amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, hatao any Da­kar, amin’ny faran’ny volana febroary. Herinandro izay no vita, nanaovana ny fanamafisana ny tanjaka ara-batana. Nambaran-dRatianarivo Livio, Malagasy mpilalao, fa “io tanjaka ara-batana io no tena ilaina. Satria, isika somary kely vatana mihoatra amin’ny mpifanandrina ka mila matanjaka raha te hahomby. Mafy rahateo ny mpifanandrina ka mila fanomanana tsara, indrindra ny ara-batana”. “Efa niaraka matetika ny ankamaroan’ireto mpilalao ireto saingy mbola misy ny tsy ampy mila hamafisina”, hoy izy. Niova ihany koa ny mpanazatra ka misy fio­vana amin’ny fifandraisana sy fampitana fampianarana. Tsy manova n’inona n’inona izany fa hiezaka hatrany ireo mpilalao hanome ny tsara indrindra amin’izao fanomanana izao mba hahazoana vokatra tsara. Raha hiverenana ny fandaharam-potoana, mikotrana isan’ andro eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahama­­si­na, ny Ankoay miaraka amin’ ny mpanazatra. Mi.Raz

Share this post: