TheMadagascarTime

Basikety-“Stage des entraîneurs”: 40 mianadahy nahazo traikefa

2026-02-16 - 04:49

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Sain­te Famille Mahamasina, ny famaranana ny fiofanana ho an’ny mpanazatra, izay nokarakarain’ny Seksionan’ny ba­si­kety Antananarivo Renivo­hitra. Ny tale teknika nasionaly eo anivon’ny federasionina, Razafiarivony Solofohery An­gelot, no nizara ny traikefany tamin’ireo mpiofana, nandritra ny 3 herinandro. Niatrika fanadinana ireo mpiofana ary 40 mianadahy no notolorana ny mari-pankasitrahana. Nam­ba­ran’ny mpampiofana, DTN Angelot, fa ilaina hatrany ny mianatra satria efa mivoatra ny taranja basikety eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. No­hamafisiny fa mila maharaka izany fivoarana izany ihany koa ny mpanazatra ny taranja basikety malagasy, ka izany no maha zava-dehibe ny fiofanana toy izao. Tanjon’ny seksionina Antananarivo Renivo­hitra ny hanome fampiofanana ny mpanazatra, vantany vao nandray ny fitantanana, ny filoha Jean Felix. Nambarany fa ny mpanazatra tsara hofana manana atleta tsara. Mbola miantso ireo klioba sy mpanazatra tsy mbola niofana izy hanatevin-daharana satria zava-dehibe ny fampiofanana toy izao. Mi.Raz

Share this post: