CCI Ivato : Hanokafana ny faha-55 taonan’ ny tarika Mahaleo
2026-02-26 - 04:46
“Fihavanana tsy ravan’ny taona” ihany no lohahevitra hanamarihana ny faha-55 taonan’ny tarika Mahaleo. Hatomboka ny 1 marsa izao izany ka hitohy amin’io taona ho avy io. “Tadidiko ry zalahy, tamin’ny 72...”, hoy ny tononkiran’i Dama. Hira nataony kokoa ho an’ireo namany, ho an’ny fiarahana, ho an’ny tarika Mahaleo iny. 54 taona aty aoriana, mbola eo ny tarika Mahaleo. Mandringa fa mbola mijoro. 2 amin’ny 7 ny mpikambana tavela, fa mbola tarika ny Mahaleo... Ho porofon’izany, efa manomana sahady ny fanamarihana ny faha-55 taonany ny tarika, amin’io taona ho avy io. Hisy ny seho hanokafana ny fankalazana sy hanomezana fofony sahady izay mety hiseho ny alahady 1 marsa izao, eny amin’ny CCI Ivato. “Fanokafana ny fankalazana fa tsy voalohany akory amin’ny fiaraha-miasanay amin’ny tarika Mahaleo izy ity. Hitarafana ny tohin’ny fiarahana ihany koa io”, hoy ny nambaran’i Malala R, avy ao amin’ny Louvto Company izay handray an-tanana ny fikarakarana sy ny fankalazana iray manontolo. “Fihavanana tsy ravan’ny taona”. Teny filamatra nalaina tao anatin’ilay hira “Raha mila fanampiana” io. Efa nentin’ny tarika Mahaleo nanamarihana ny faha-35 taonany, ary izao hiverenana izao indray. “Ny antony, raha tsy niainana ny fihavanana, tsy naharitra ny Mahaleo. Tonga amin’ilay hoe ny faty no hisarahana izahay. Nanomboka samy mpinamana aloha, avy eo samy nanao mozika. Samihafa daholo mihitsy ny nataonay tsirairay, fa ireny no natambatra nanome loko iray, nanome ny Revy Mahaleo. Tsy nahazo laka ny fifaninanana tao anatin’ny tarika fa nahazo laka kosa ny fifamenoana... Izay no antony mbola hivoizana io fihavanana io”, hoy ny fanazavana nomen’i Dama. Bekoto sy Dama no Mahaleo. Mitrotro azy an-tsehatra amin’izay ny taranaka, efa 5 taona izao. Miara-manohy ilay “Revy Mahaleo” hatramin’ny farany izy ireo. “Efa nilazako ry zalahy fa mandray vonona ialahisany izao. Mbola mankafy ny olona satria feno fihetseham-po ao ka manaraka izy ireo. Fa aoriana, hanontany amin’izay izy ireo hoe ary mba aiza ny anareo, dia ahoana?”, hoy i Dama mantsy ny Mahaleo Taranaka. Namaly azy, hono, ny Taranaka fa “ny hiranareo aza mbola maro no tsy fantatra ka anatin’ny ezaka fizarana izany izahay izao...”. Izany rehetra izany, milaza fa tsy mbola ho ato ho ato akory no hifarana, raha hisy izany, ny “Revy Mahaleo”. Zo ny Aina