CENHOSOA Soavinandriana : Am-polony ireo ankizy nodidiana fo maimaimpoana
2026-01-31 - 07:08
Hopitaly hany tokana misahana ny fitsaboana ireo zazakely manana fahasarotana ao amin’ny fo ny hopitaly miaramila (CenHoSoa) eny Soavinandriana. Omaly, nitsidika tamin’ny fomba ofisialy ity sampam-pitsaboana zazakely manana olana amin’ny fo ity ny minisitry ny Foaloalindahy (MFA), ny Jly Razafitombo Ely. Niaraka taminy tamin’izany ny masoivoho frantsay, Arnaud Guillois, ny Agence française de développement ary ny tetikasa «La chaîne de l’espoir» izay mifanome tanana amin’ity hopitaly ity. Nambaran’ny MFA fa “nanomboka ny taona 2024 no nandray ireo zazakely manana olana ao amin’ny fo ny hopitaly. Nahazo tohana avy amin’ny La chaîne de l’espoir, tamin’ny alalan’ny masoivoho frantsay miasa sy monina eto amintsika. Nojerena ihany koa ny hanamafisana hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy sy ny tetikasa mba ho tombontsoan’ny vahoaka malagasy indrindra ireo zazakely manana olana ao amin’ny fo”. Marihina fa ny taona 2018 no nanombohan’ny tetikasa sahanin’ny «La chaîne de l’espoir». Nohamafisin’ny MFA hatrany fa 20 mahery ny zaza efa nahazo fitsaboana sy nandalo fandidiana tao amin’ity sampana ity. «Misy ireo vita eto an-toerana ny fitsaboana, ao kosa ireo tsy maintsy alefa any ivelany arakaraka ny fahasarotan’ny aretina», hoy ity manamboninahitra ity. Nambarany fa mahay ny mpitsabo eto amintsika satria avotra soa aman-tsara avokoa ireo zazakely nanana fahasarotana nandalo tao. Nanamafy kosa ny masoivoho frantsay fa matotra hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’i Frantsa sy i Madagasikara amin’ny lafiny fitsaboana sy fanohanana ara-pitaovana ho an’ny CenHoSoa. Jean Claude