TheMadagascarTime

“Che Bel Canto!” 2.0 : Mbola hiray sehatra amin’i Tovo J’Hay i Malala sy Nanie

2026-02-14 - 05:29

Angamba ity no andiam-pampisehoana nalaza indrindra. Rehefa niato kely, hiverina indray ny “Che Bel Canto!” ary i Tovo J’Hay sy ny namany ihany no hisantatra izany. 2003 ny “Che Bel Canto!” voalohany... Hetsika ni­tondra aina vao teo amin’ny tonto­lon’ny fampisehoana. Nana­songadina ny sanganasana mpanakanto iray, novelomin’ireo namany an-tsehatra. I Tovo J’Hay no nisantatra izany, notronin’i Bodo, Poopy, Lalie, Nanie ary Malala ‘Zay. Anisan’ny hira nanamarika sy tsy afaka am-bavan’ny maro ny “Raha tia mozika”, nanomboka teo... Samy nanohy ny lalany teny ireo mpanakanto, ary niato taona maromaro kosa ny hetsika. 23 taona aty aoriana, hiverina izany. Mbola i Tovo J’Hay ihany no hisantatra ny “Che Bel Canto!2.0”. Mbola hiray sehatra aminy ihany ry Malala sy Nanie, namany hatramin’izay. Eo ihany koa i Tosy, izay nandray anjara tamin’ny an­diany faharoa. Hanampy ireo ny tanora taty aoriana, Ayam sy Johane. Hotontosaina ra­hampitso, etsy amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena ny seho. Tsy miova ny lalantsaina: hiran’i Tovo J’Hay avokoa no halahatra, saingy hanana ny fanaovany azy ireo mpanakanto tsirairay. Hisongadina ihany koa ny fampiaraham-peo: roa, telo, dimy na rodomben’ireo eny an-tsehatra. Homena aina vao indray ireo hiram-pitiavana tsy tontan’ny ela, nahafantarana an’i Tovo J’Hay nandritra izay taona maro nifandimby izay. Ao anatin’izay fitohizana izay ihany, i Jaobarison Randrianarivony tompon-kevitra voalohany tamin’ny “Che Ble Canto!” ihany no miandraikitra ny fikarakarana ankapobeny. Zo ny Aina

Share this post: