Échecs-Analamanga : Nahomby ny lalao fanokafana ny taona
2026-02-03 - 05:20
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifaninanana fanokafana ny taom-pikatrohana 2026, ho an’ny ligin’Analamanga, taranja échecs. Teny amin’ny Akademia nasionalin’ny fanatanjahantena Ampefiloha no nanatanterahana izany. Nahomby tanteraka satria tonga marobe, namaly ny antso, ireo mpilalao izay tafakatra 135. Na dia teo aza ny andro ratsy, tsy nahasakana ireo mpandray anjara ho tonga teny an-toerana. Nambaran’ny filohan’ny ligin’ Analamanga, taranja échecs, Raharimanana Faratiana, fa miezaka hatrany ny ligy mampandroso ny taranja, fa indrindra koa manara-dalàna. Notsiahiviny fa efa nahazo fankatoavana avy amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena izy ireo vantany vao vita ny fifidianana ary mijoro ara-dalàna. Na izany aza, mbola tratran’ny tsindrihazolena ihany ... Raha hiverenana ny vokatra ny sabotsy lasa teo, manana mpilalao avo lenta ny ligin’Analamanga, izay nanaporofoana fa velona ity taranja ity. Mi.Raz Toy izao ny vokatra -U10 : -Ranaivomanana Ny Thyana Erwann, Radaniela Andritia, Andriamanalinarivo Tianiaina Nicky. Vehivavy mendrika: Ravelomanantsoa Andriantsilavo Fahasoavana Nomenjanahary -U14 : -Ranaivomanana Ny Thyana Aicha, Rarivoson Mboahangy Jude Fortuné, Silo Andriantsoa Lenny Ky Vehivavy mendrika: Ranaivomanana Ny Thyana Aicha -Sokajy +1700: -Rafenohery Lova, Henikasina El Razan, Rakotoarivony Tovonirina Mihaja Johann Vehivavy mendrika: Rarivoson Mboahangy Aude Azu -Vétéran : Randrianarivelo Louis -“Prix spécial vétéran”: Andriamaharo Nirina Patrick