Clip vaovao : Hamoaka ny « Lasa ianao » i Serge GPE
2026-02-25 - 04:56
Manohy ny diany hatrany ny tarika Serge GPE. Fantatra fa hamoaka rindrantsary (clip) nampitondraina ny lohateny « Lasa ianao » ity tarika manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny mozika mavesatra ity. Raha ny nambaran’i Serge GPE, « slow rock » ny gadona nanaovana azy io. Izany hoe, manana fototra « rock » fa somary malefaka kokoa. Ankoatra ny famoahana ny « Lasa ianao », nisafidy an’ Imerintsiatosika ny tarika amin’ny fanatanterahana ny fampisehoana an-tsehatra voalohany amin’ity taona 2026 ity. Ny 3 avrily no hanatontosana izany, ao amin’ny Bar Karaoke G3, ampitan’ny Station service Galana. Hoentin’izy ireo eny an-tsehatra ireo hira nahafantarana ny tarika hatramin’izay sy ireo vaovao taty aoriana. Marihina fa manome lanja lehibe ny tononkira ny tarika Serge GPE. Ho an-dry zareo, eo ny maha fialamboly ny hira, fa zava-dehibe ihany koa ny maha mpanabe ny mpanakanto sy ny tolotra omeny. Na sokajiana ao anatin’ny mozika mavesatra aza ny gadona ahafantarana ny tarika, azo henoina tsara ny tononkira ao anatiny. Maro ny hafatra ampitainy. HaRy Razafindrakoto