TheMadagascarTime

Concert classique de midi : Hiaka-tsehatra ny AMI Choir

2026-01-25 - 21:08

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-165 ny « Concert classique de midi ». Hiaka-tsehatra etsy amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely ny AMI Choir, ny talata 27 janoary, manomboka amin’ny 1 ora atoandro ka hatramin’ny 2 ora tolakandro. Fampisehoana karakarain’ny Madagascar Mozarteum ho fampahalalana sy fampitiavana ary fampivelarana ny mozika klasika. Anisan’ny hampiavaka ity seho ity ny fampiaraham-peo. Hanakoako eny an-toerana ny hakanton’ny sanganasan’i Francis Poulenc, Stacey Gibbs, Consuelo Velasquez, Laura Jekabsone, sns. Hahazo vahana amin’ireo ny « acapella » na hira tsy arahina zavamaneno. Mahatratra 40 any ho any, rahateo, ny isan’ireo hiaka-tsehatra ho an-dry zareo ao amin’ ny AMI Choir. Maimaimpoana ny fanatrehana ity « Concert classique de midi » andiany faha-165 ity. Raha tsiahivina, anisan’ny antom-pisiana sy hanatanterahina ny « Concert classique de midi » ny fahitan’ny Madagascar Mozarteum fa maro ireo te hijery seho an-tsehatra tahaka izao, kanefa, tsy mba manam-potoana amin’izany, noho ny asa aman-draharaha. HaRy Razafindrakoto

Share this post: