Corenin Martins: Ho avy eto Madagasikara hanazatra ny Barea
2026-02-18 - 04:48
Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa nahita marimaritra iraisana ihany i Corentin Martins sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Andrasana ny fanambarana ofisialy. Raha tsy misy indray ny fiovana, ho avy eto Madagasikara, ny faran’ny herinandro izao, i Corentin Martins. Araka ny filazan’ilay loharanom-baovao iray akaiky azy, hanasonia ilay fifanarahana vaovao, hahafahana manohy ny asa amin’ny maha mpanazatra ny Barea azy izy. “Niroso tany amin’ny marimaritra iraisana sy ny fifanajana tanteraka ny fifampiresahana teo amin’ny telo tonta: FMF, minisiteran’ny Tanora ary ity mpanazatra ity. Ho avy eto an-toerana izy, hanasonia io fifanarahana io”, hoy ity mpampita vaovao. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy fanambarana ofisialy milaza ny fahatongavan’io mpanazatra io eto Madagasikara, ary mbola miandry izany hatramin’izao ny mpankafy kitra maro. Marihina fa tanjona tsy maintsy tratrarin’i Corentin Martins, amin’ity fifanarahana vaovao ity ny hahatafakatra an’i Madagasikara amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, Can 2027. Hitadiavana lalao ara-pirahalahiana Ankoatra izay, efa mandeha ny resaka eo anivon’ny Federasionina fa hitady lalao ara-pirahalahiana ny Barea mandritra ny “Fenêtre Fifa”, ny volana marsa ho avy izao. Raha ny fantatra dia ireo firenena lehibe amin’ny baolina kitra aty Afrika no hanaovana fitsapana. Fitia Randria