Corentin Martins- Mpanazatra ny Barea : Hita ny marimaritra iraisana, andrasana ny fanambarana ofisialy
2026-02-03 - 05:20
Nifarana ny 31 janoary teo, ny fifanarahan’ny fanjakana malagasy sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) amin’ilay frantsay mpanazatra ny Barea, Corentin Martins. Fantatra, omaly, fa mbola hanohy i Corentin Martins ary andrasana ny fanambarana ofisialy mahakasika izany. Araka ny filazan’ny loharanom-baovao iray, omaly, efa naverin’i Corentin Martins, aty Madagasikara, ilay fifanarahana vaovao mahakasika ny fanohizana ny asa hitondrany indray ny ekipa nasionaly, Barean’i Madagasikara. Io loharanom-baovao io hatrany no milaza fa efa milamina ny raharaha avy amin’ny mpanazatra, miandry ny valin-teny ofisialy avy amin’ny fanjakana sisa. Azo lazaina ho hita ny marimaritra iraisana eo amin’ireo ankolafy telo, ka antenaina fa tsy ho ela intsony dia hivoaka ny valin’izany. Efa tapitra ny 31 janoary teo ny fifanarahana tamin’ity teknisianina frantsay ity, ary izao efa miroso mankany amin’ ny fifanarahana vaovao izao ny fanjakana sy ny federasionina ary ny mpanazatra. Tsara ny mampahatsiahy fa nanomboka ny taona 2025 lasa teo, i Corentin Martins, no nitondra ny Barea. Nandritra ny fitantanany ny ekipa nasionaly malagasy, nahita fandresena dimy sy faharesena telo ny Barea. Marihina fa nampiakarin’i Corentin Martins ho eo amin’ ny laharana faha-105 maneran-tany izao ny ekipam-pirenena malagasy, raha toa ka tany amin’ny faha-115 izany teo aloha. Ho tafita amin’ny Can... Raha mahomby ny dinika, ny fahatafitan’ny Malagasy any amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Can 2027”, indray izany no asa lehibe miandry an’i Corentin Martins. Any amin’ny volana septambra ny fifanintsanana hiadiana ny tapakila hiatrehana izany. Aorian’ny volana marsa ho avy izo, ho fantatra izay mpiray vondrona amin’ny Barea, mandritra ny ady tapakila hiakarana amin’izany. F.R