TheMadagascarTime

DAKA AN-JORONY

2026-02-16 - 04:49

Olana etsy, olana eroa Toy ny tongo-bakivaky ity olan’ny baolina kitra ity ka sady maharary no mahamenatra. Toa aretina tsy mety sitrana ny zava-misy ao anatiny. Tsy miafina amin’ny rehetra intsony fa miharihary toa tafika andrefan-tanana ka sady hitan’ny maso no ren’ny sofina. Toy ny fary ny fahitana izany ka ny kely indray no mitafy maitso, ny tanora mitafy jabo ary ny lehibe manary lamba. Tsy miara-migadona ny fahasahiranana eo amin’ity taranja mankarary ny vahoaka malagasy ity, fa madinidini-piavy toa oram-panala kanefa mahatondraka ny rano. Ny volan’ny mpitsara tsy tena mbola voavaha, ny resaka mpanazatra ny Barea, efa manangasanga. Re mantsy fa anisan’ireo nanolo-tena ho safidiana hitondra an’i Gabon, ingahy Corentin Martins. Etsy an-kilany, ny minisitera milaza fa efa milamina ny aminy fa mitohy ny fifanarahana aminy. Very fanahy mbola velona ny mpitia baolina kitra satria tsy hay intsony izay tena marina. Manoloana izany, tsy te ho tomponandraikitra ny Federasiona malagasy fa manilika ny rihitra any amin’ny fanjakana. Ny fantatry ny vahoaka, Barea mira federasiona ary baolina kitra no resahina, FMF ny hain’ny mpitia. Ka na hihodin-kavia na hihodin-kavanana, tsy afa-miala ny federasiona. Raha mandeha tsy nirahina mantsy, naman’ny mpangala-dia. Raha mandray tsy notolorana, naman’ny mpanao sinto-mahery ary raha manambara tsy nomen-teny, tomponandraikitra amin’ny zava-mitranga. Iva ny tamboho mitaha amin’ny trano. Iva ny trano mitaha amin’ny hazo fa iva ny federasiona mitaha amin’izao olana misy ankehitriny izao. Ny tongo-balo tsy miara-mamindra, koa aleo mora sarotra iarahana toa izay mora isarahana. Tompondaka

Share this post: