DAKA AN-JORONY: Ho rojo vola am-bozon’ny mpihaingo
2026-02-23 - 04:56
Niravona amin’ny am-pahany ny olana eo amin’ny baolina kitra, izay maha ketraka ny Malagasy, amin’ny ankapobeny. Rehefa marary mantsy ity taranja ity, toa tsy salama avokoa ny firenena iray manontolo. Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana tokoa ary ny olana rehetra misy vahaolana. Mitohy ny fiaraha-miasa amin’ny mpanazatra nitondra ny Barea-n’i Madagasikara. Nihoraka ny mpijery ary afa-tsento ireo be ahiahy fa hitohy ny asa ary tanjona ny hanatsara ny zava-bita. Ka ho rojo vola am-bozon’ny mpihaingo izany ka ho maro mpaniry, ho maro mpikatsaka ny baolina kitra malagasy. Na izany aza, mbola mandeha ila tahaka ny kavin’ny tovolahy ankehitriny izy ity. Tsy mbola milamina ny kianjaben’i Mahamasina. Jerem-potsiny toy ny tany nahalavoana satria tsy afaka hitsahin’ny ekipa malagasy. Miandry fankatoavana vao afaka hisitraka sy hijery baolina iraisam-pirenena indray ny vahoaka efa sasa-miandry. Toy ny olona noana am-pototry ny sompitra aloha hatreto ny mpankafy. Efa nanome toky kosa ny tomponandraiki-panjakana sy ny ao amin’ny federasionina fa hanao ny ezaka rehetra, hahatonga io fotodrafitrasa io, ho azo hilalaovana sy ampiasaina amin’ny ilana azy. Enga anie ho toy ny rano fisotro manala hetaheta izany i Mahamasina ka ho sitrahin’ny baolina kitra mandavantaona. Mbola baraingo ihany koa ny anarana hisaloran’io kianjabe io. Mifanipaka tahaka ny valala an-karona ny mpitondra ankehitriny. Aleo, anefa hilamina dia hisesy ka ho tonga rojo vola am-bozon’ny mpihaingo, maro mpaniry sy ho maro mpikatsaka. Ny tranom-pody anefa no vitan’ny vava ary ny bainga voavadika no vavolombelon’ny asa. Ny tsy manao ihany no be fanakianana. Koa ny aina no mahateza. Tompondaka