TheMadagascarTime

DAKA AN-JORONY: Ketriketrika mahatonga kotrokotroka

2026-03-09 - 04:47

Tsy mitsaha-mitombo sy miitatra tahaka ny sima misioka ny olana amin’ny fanatanjahantena, eto Madagasikara. Ny eo tsy voavaha, ny hafa miditra ihany. Misy manko ireo miketriketrika ka mahatonga kotrokotroka. Na tsy maresaka be aza, misoko mangina toy ny homamiadana ny fifandirana eo amin’ny lalaon-tsaina «echec». Mifandrirotra amin’izay mampety azy, ny federasionina sy ny minisitera ka ahina ho tapaka ny tady eo amin’ny roa tonta. Ity tokoa no tonga amin’ny fitenenana hoe : izy mivady no miady ka ny ankizy no voaporiporitra. Misy miketriketrika mantsy any ho any ka mahatonga kotrokotroka. Ny hevitra tsy azo hono nefa tsy amin’olombelona. Ilaina ny mifanantona sy miresaka mivantana fa ny volan’imaso mantsy tsy mba kilema. Tsy misy olana, tsy hahitam-bahaolana izany. Ny fanehoan-kevitra, tsy midika fa manana ny marina. Zava-dehibe ny fifampihainoana, ao anatin’ny olana mitranga. Ny hevitry ny maro manko mahataka-davitra. Na izany aza, aleo tsy mifamingana fa ny hazandrano no famintana ary ny haza an-tanety fihaza. Koa aleo hialana lavitra ny ketriketrika mahatonga kotrokotroka. Ekena fa ny tongom-balo tsy miara-mamindra nefa ny teny hifampierana mahatsara fihavanana. Loza iray, loza roa, loza telo raha toa ka teny iray tsy voatandrina no hamono ny atleta iray manontolo. Aleo miada-pamindra kanefa tonga toy izay maika hivarina an-kady. Feno lavaka ny lalana hizorana ka solafaka ireo tsy mitandri-pamindra. Toy ny ranomasina tsy hita fetra mantsy ny taona diavina, ndraika manonja, ndraika mitony. Sambokely mitety onja, ka ao ny rendrika ao ny tafita. Koa aleo miketriketrika tonga katrokatroka toy izay ketriketrika lasa kotrokotroka. Tompondaka

Share this post: