DAKA AN-JORONY: Mason-tsokina, mason’omby io
2026-03-23 - 04:52
Amin’ny fiainana, samy manana ny tanjony ny olona tsirairay avy. Tsy misy maniry ny ho resy izany fa ny ho tafavoaka ka tafita no tanjona. Toy izany koa amin’ny fanatanjahantena, ny handrombaka fandresena ka hibatana ny amboara no hilofosana andro aman’alina. Na izany aza, toy ny mason-tsokina, mason’omby io. Samy mahita fa tsy mitovy ny hita. Marina tokoa fa na miara-mijery izao aza, tsy mitovy ny zavatra hita. Ao ny mahita ny soa sy ny tsara. Fa misy koa nefa ireo tsy mahita afa-tsy ny mikisilasila sy ny mikitoatoana. Tsy mahagaga loatra izany fa ny maraina any, tsy maraina aty. Ny hariva any tsy hariva aty. Mandrakariva, ny tsy manao ihany no mahita ny kihana sy manao ramatahora. Olona kanosa, tsy sahy mandray andraikitra fa miandry mahazo fotsiny. Mason-tsokina, mason’omby tokoa, samy mahita fa tsy mitovy ny hita. Kodiaran-tsarety anefa ny fifaninanana. Tsy ho mpandresy foana akory ary tsy nisy natao ho resy lava fa hifandimbiasana io. Ny isany no tsy mitovy ary ny habeny no tsy sahala. Tsy mora tokoa ny ho tonga tompondaka saingy sarotra ny mitazona io anaram-boninahitra io. Rehefa tonga eo amin’ny tendrony amin’ny fandresena ny ekipa na ny atleta iray, be ny fahavalo. Ny hazo mantsy halan-drivotra. Mason-tsokina, mason’omby samy mahita fa tsy mitovy ny hita. Tsy misy olona mahay irery fa ilaina hatrany ny hafa. Na efa malaza sy mafy aza, tsy mahamenatra ny mihaino ny hafa. Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra no hahita vahaolana sy fandrosoana. Aleo vandana imaso, toy izay vandana ivoho. Ny mahery tsy maody tokoa mantsy tsy lava fiainana. Koa aza manao mason-tsokina, mason’omby samy mahita fa tsy mitovy ny hita. Tompondaka