Denise sy Shyn : Hisy seho hanampiana ny vehivavy
2026-02-24 - 04:46
Mpanakanton’ny fiarahamonina. Mbola anatin’ny fanampiana ireo traboina, no fantatra koa fa hanohana ireo vehivavy sahirana amin’ny fiatrehana fadimbolana i Denise sy Shyn. Nihaona tamin’ny mpanao gazety i Denise, tetsy Ambodivona. Fantatra nandritra izany fa hisy ny seho lehibe hotontosain’ireto mpanakanto ireto ny 8 marsa izao, etsy amin’ny CCI Ivato. Nampifanandrifiana amin’ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena hiadiana ny zon’ny vehivavy mihitsy, raha ny nambaran’ny mpikarakara. «Hetsika natao hanentanana amin’ny fanohanana ireo vehivavy amin’ny ankapobeny, indrindra ireo tovovavy vao manomboka fadimbolana, izy ity. Mbola misy faritra maro eto Madagasikara manasokajy ny fadimbolana ho tranga mahamenatra, ka lasa miendrika fanilihana ny vehivavy mandritra io fotoana io izany. Anatin’ ny ezaka hatao ny hahazoan’izy ireo fitaovana madio sy ara-pahasalamana, hanala izay fomba fijery izay», hoy ny nambaran’ny mpikarakara. Tafiditra anatin’ireo andiam-pampisehoana homanin’i Shyn sy Denise amin’ity taona ity ihany koa ny hetsika. «Tsy maro ny datinay eto Antananarivo amin’ity, indrindra ny fiarahana an-tsehatra. Araka ny fangatahan’ny mpankafy ihany, hisy maromaro ny fampiaraham-peo, ankoatra ny tsy ampoizina homaninay amin’io. Hataonay ao daholo ny hira andrasan’ny mpankafy, izany hoe, tsy latsaky ny adiny 3», hoy i Denise. Manantena kosa izy fa hiray fijery aminy amin’ny fanampiana ny mpiray tanindrazana izay himasoana ireo mpanaraka an’i Denise. Mahakasika izay hatrany, nohamafisin’ity mpanakanto ity fa mbola mitohy ny ezaka fanampiana ireo traboina any Toamasina. «Nanao izay vita izahay tanatin’ny roa herinandro ary tena reraka ny ekipa. Tsy maintsy miatrika ny asan’ny tsirairay koa anefa, fa na izany aza, mbola mifandimby ireo misahana ny fanampiana ny traboina », hoy izy. I Shyn aza mbola nanao antso avo amin’ireo malala-tanana, omaly, satria mbola lavitr’ezaka ny fanarenana an’i Toamasina. Zo ny Aina